Sosialy

Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo Hofidiana ireo tetikasa 5 mendrika mandritra ny Salon RSE


  • Talata 21 Aogositra 2018

Hotanterahina ny 31 aogositra ka hatramin’ny 01 septambra ho avy izao etsy amin’ny Hotel Carlton Anosy ilay salon RSE et initiative pour le developpement durable karakarain’ny kabine Ur CSR Consulting.

 

 

 

 

 Andiany fahatelo izy io handraisana orinasa maro anjara, indrindra fa ireo efa misehatra amin’ny fiahiana ny sosialin’ny mponina. Hampiavaka ity hetsika ity, raha araka ny fanazavan-dRtoa Rabefitiavana Ulrichia, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny kabine Ur CSR ny fisiana fifantenana tetikasa  mendrika hoenti-miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo mahazo ny ankizy. Mbola mahatratra hatrany amin’ny 47 % mantsy  ireo zaza Malagasy latsaky ny dimy taona no mitondra faisana vokatr’izany manerana ny Nosy, antony nisafidianan’ny mpikarakara ity tetikasa iray   ity. Tetikasa miisa dimy ihany anefa no azo  horaisina  ka hisy mihitsy ny fandefasana horonantsary mivantana hojeren’ny rehetra arahin’ny fametrahana fanontaniana.  Afaka mijery avy hatrany koa ireo orinasa vonona hanohana ilay tetikasa  na malala-tanana hafa. Tsiahivina fa  miara-miasa akaiky amin’ny UNICEF ity kabine iray ity entina hanatsarana ny fiainan’ny ankizy amin’ny ankapobeny raha toraka izany ihany koa ny ady amin’ny hanohanana izay hiarahany amin’ny PAM. Mikasika ny fandraisan’ny orinasa anjara amin’ny fanatsarana ny sosialin’ny mponina moa dia nomarihin’ny mpikarakara fa mbola tena maivana raha oharina amin’ny any ivelany saingy efa manomboka mihatsara.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT