Sosialy

Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo Hanampy an’i Madagasikara ny BAD


  • Zoma 05 Jolay 2019

Nijery ifotony ny fanatsarana ara-potodrafitrasa teny amin’ny fokontany Tsaramasay, Ankorondrano Andrefana, Ankorondrano Andranomahery ny filoham-pirenena mivady, niaraka tamin’ny filohan’ny vondron’ny BAD (Banky Afrikanina ho an’ny Fampandrosoana), Atoa Akinwumi Adesina omaly alakamisy 4 jolay 2019.

 

 Nilaza io tompon’andraikitry ny BAD io fa manohana hatrany an’i Madagasikara izy ireo, indrindra fa  mahakasika ireo tetikasa momba ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo eto Madagasikara. Firenena faha-4 tratran’izany isika kanefa misy fiantraikany ratsy amin’ny fitomboana ara-batana sy ara-tsaina ny tsy fanjarian-tsakafo, ary miantraika amin’ny fampandrosoana amin’ny ankapobeny mihitsy izany, hoy izy. Ny 45% amin’ireo tratry ny tsy fanjarian-tsakafo dia zaza tsy ampy taona avokoa. Naseho ireo mpiara-miombon’antoka ny tena zava-misy iainan’ny vahoaka Malagasy eny amin’ny faritra iva, hoy ny filoha. Ny fokontany Tsaramasay, Ankorondrano Andrefana, Ankorondrano Andranomahery dia tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana tetikasa andrana izay mitsinjo ny fanatsarana ny endriky ny tanàn-dehibe. Nolokoina sy nodiovina avokoa ny manodidina ireo toeram-ponenana manerana ny lakan-dranon’Andriantany. Niantso ny rehetra hikolokolo ireo fananana iombonana ary mba hifanome tanana hikajy ny fahadiovana ny filoha, izay naneho fa tsy hoe rehefa tanàna ambany dia maloto, fa azo atao ny manana tanàna madio ary afaka mikojakoja izany ny rehetra.

 

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT