Sosialy

Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo Hamoaka 85 tapitrisa dolara ny Banky iraisam-pirenena


  • Talata 05 Jolay 2022

Nankatoavin’ny Banky Iraisam-pirenena ny faran’ny volana jona teo ny hanomezana tohana ara-bola andiany faharoa mitentina 85 tapitrisa dolara ho an’i Madagasikara hiatrehana ny tsy fanjarian-tsakafo,

araka ny fampitam-baovao ofisialin’io rafitra ara-bola maneran-tany io. Tanjona ny hampihena ny fahatarana eo amin’ny fitomboana sy fivoaran’ny ankizy. Ny 42,5 tapitrisa dolara amin’io dia fanomezana, ary vola haverina kosa ny 42,5 tapitrisa dolara. Ny volana desambra 2017 no nankatoavina ny andiany voalohany tamin’io, ka miisa 1 875 461 ireo sy ny zaza latsaky ny 5 taona nisitraka tan-tsoroka ara-pahasalamana sy ara-tsakafo tamin’ny alalan’ny ivon-toerana miisa 4 526 niampy toeram-pitsaboana fototra 1081. Hifantoka hatrany amin’ny fanatsarana ny kalitao sy ny fahafaha-misitraka tolotra manokana sy ilaina amin’ny lafiny fahasalamana ara-pamokarana ho an’ny reny sy ny zaza mifototra amin’ny ara-tsakafo io. Faritra miisa 9 no hisitraka izany ho an’ny dingana voalohany, hiitatra amin’ny faritra 4 dia ny ao Androy, Anosy, Atsimo Atsinanana, Atsinanana. Ny telo amin’ireo dia voasokajy ho isan’ny faritra marefo amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Mifanjohy amin’ny fampisam-bola momba ny fampiroboroboana ara-tsosialy, toy ny fampiroboroboana ny fambolena, ny fiarovana ara-tsosialy mba hanatsarana ny lafiny fanjarian-tsakafo io. Isan’ny kendrena ao anatin’izany ireo ankohonana tena marefo, ka tafiditra ao anatin’ny paikady momba ny fampihenana ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka sy ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika io, fa indrindra ny resaka ady amin’ny fahantrana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT