Sosialy

Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo Hametraka paikady maharitra ny ONN-PAM-KOICA


  • Talata 09 Jolay 2019

Nisy ny fitsidihina ireo toby fanaraha-maso momba ny fanjarian-tsakafo tany Atsimon’ny Nosy, izay notanterahin’ny delegasion’ny repoblikan’ny Korea eto Madagasikara sy matihanina avy ao amin’ny PAM ny 1 hatramin’ny 5 jolay lasa teo.

 

 

 

Tafiditra ao anatin’ilay tetikasa Miaro izany ka nanaovan’izy ireo fanaraha-maso mahakasika ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo any amin’ny kaominin’i Itampolo, Fotadrevo, any amin’ny distrikan’i Ampanihy. Nohamafisin’ny mpandrindra nasionalin’ny Foibem-pirenena momba ny fanjarian-tsakafo (ONN) fa tsy ho fitsaboana intsony no hatao ka hapetraka ho tanjona ny famolavolana paikady maharitra  hanafoanana ny tsy fanjarian-tsakafo. Azo atao tsara ny mametraka paikady maharitra ahafahana manafoana izany eto Madagasikara. Efa nandalo tranga toy izany koa ny tany Korea Atsimo, hoy ny fanazavan’atoa Lim Sang-Woo, masoivohon’ny Korea Atsimo eto Madagasikara. Hiara-kiasa noho izany ny telo tonta mba handraisana an-tanana ny renim-pianakaviana sy ireo zaza mandritra ny arivo andro voalohany iainany. Tsy mijanona eo amin’ny fanentanana mahakasika ny sakafo tokony hohanin’ny reny sy ny zaza, na ny fihetsika tokony hatao fahazarana. Nohamafisin’ity masoivohon’i Korea ity ihany koa ny amin’ny tokony hanatsarana ny lalana  sy ametrahana fotodrafitrasa ahazoana tsena manaraka ny fenitra ary sakafo ampy sy feno otrikaina ho an’ireo renim-pianakaviana sy zaza ireo.  Efa nisy ihany moa hatramin’izay ny fiaraha-miasa teo amin’ny PAM sy ny KOICA fa hotohizana kosa izany.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT