ADY AMIN’NY TSY FANJARIAN-TSAKAFO ANY ATSIMO

Nifanome tanana ny FOFIFA sy ny AFAFI SUD


  • Alarobia 09 Oktobra 2024

Manjaka sy mahazo vahana tanteraka ny tsy fanjarian-tsakafo mahazo ireo mponina any amin’ny

Faritra Atsimon’ny Nosy efa an-taonany maro izao vokatry ny haintany. Ireo zaza amam-behivavy no tena mahita faisana amin’izany. Nanomboka ny taona 2020 dia nirotsaka nanampy azy ireo ny tetikasa Afafi Sud vatsian’ny Vondrona Eoropeana vola ka faritra roa no voakasika dia ny Faritra Androy sy Anosy. Nisy araka izany ny fanofanana ireo mponina mikasika ireo fambolena azo hatao mandavan-taona sy mifanaraka amin’ny toetr’andro mba hampivoarana ny fiainan’ny mponina. Niaraha-niasa tamin’ny FOFIFA izany tamin’ny alalan’ny fifanentanana ireo masomboly ho an’ny Faritra Androy. Narahin’ny fametrahana ivon-toerana ho an’ny Reny sy zaza miisa 22 izany na ny CAEM ka ireo zaza enim-bolana hatramin’ny 24 volana no mahazo tombontsoa. Niarahana niasa tamin’ny ofisim-paritra miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny CSB II indray ity farany. Mitontaly 151.500 ireo olona nahazo tombontsoa tamin’ny tetikasa hatreto raha masomboly milanja 531,22 taonina nohatsaraina no efa azo vokarina any an-toerana. Raha araka ny vaovao azo moa dia nihatsara ny resaka fisakafoanan’ny ankizy latsaky ny 5 taona any an-toerana taorian’ny fanentanana ireo Reny sy ny fanomezana azy ireo ny koba aina nanomboka tamin’ny taona 2021.
Pati
Legende : Tahaka izao ny filaharan’ireo zaza amam-behivavy any Atsimo rehefa hozaraina sakafo!
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT