Sosialy

Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo Ankizy miisa 120.000 isan-taona no hisitraka Kapik’nakà


  • Alatsinainy 04 Aprily 2022

Miara-mientana isika manome vahaolana maharitra ho an'ny vahoaka, manome fanantenana ho azy ireo, manome asa ho azy ireo ary mifanome tanana amin'ny ady amin'ny tsy fanjarian-tsakafo aty Atsimo,

hoy i Mialy Rajoelina, vadin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, ny zoma teo nandritry ny nitsidihan’izy mivady niaraka tamin’ny filohan'ny Fondation Mérieux, Alain Mérieux sy ramatoa vadiny, ny orinasa Nutrisud tao Tolagnaro. Efa azo tsapain-tanana ny fahombiazan’izany fiaraha-mientana izany, hoy ny filoham-pirenena. Mpianatra miisa 9697 no efa misitraka ny Kapik’Nakà vokarin’ny orinasa isan’andro, hoy izy. Izy ireo dia efa nisitraka ihany koa fizarana sakafo maimaim-poana, isan’andro avy amin’ny fikambanana Fitia. Manomboka amin’ny volana ambony kosa dia ankizy 5 hatramin’ny 13 taona miisa 120.000 isan-taona no hisitraka maimaipoana ny Kapik’nakà, hatao sakafo maraina. Mitohy hatrany ny fiaraha-mientana ka ho avy hanatevin-daharana ny fikambanana Fitia sy ny Fondation Mérieux ary ny vondrona Nutriset ny « Principauté de Monaco », hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

Hijery ny tohiny
FTT