Sosialy

Ady amin’ny tsy fandriampahalemana Nametaka takamoa maromaro ny CUA


  • Alakamisy 31 Oktobra 2019

Manoloana ny firongatry ny tsy fandriampahalemana eto Antananarivo Renivohitra dia nametaka takamoa na “ampoules” teny amin’ny faritra Andraisoro sy Tsarahonenana ny avy eo anivon’ny boriborintany fahadimy, Kaominina Antananarivo Renivohitra.

 

 

Nandritra izany dia nisy ny fiaraha-miasa tamin’ny avy eo anivon’ny orinasa Jirama tamin’ny fametahana ireo takamoa ary ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra kosa no niantoka ireo takamoa.

Tsy mijanona hatreo ity hetsika fanazavàna ny tanànan’Antananarivo tanterahin’ny Kaominina ity fa mbola hieli-patrana any amin’ireo fokontany maro iadidiany. Ho an’ny boriborintany fahadimy manokana dia mbola hitohy any amin’ireo fokontany 27 ny fametahana izany. Mbola hitohy ny fijerena akaiky ny mponina eny ifotony hotanterahin’ny CUA, tarihin’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana, raha ny fanazavana hatrany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT