Sosialy

Ady amin’ny tsy fandriampahalemana Hohamafisina ny fisavana ireo fiara sy môtô amin’ny alina


  • Zoma 14 Febroary 2020

Nidina nijery sy nanara-maso ireo mpitandro filaminana manatanteraka ny hetsika fitandroana fahalemana antsoina hoe : "Papango",

 

 

 

 

 

 

 

 ny minisitry ny filaminam-bahoaka (MSP) sy ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria (SEG), ny alin'ny 12 febroary  lasa teo. Niainga teo Anosy nihazo an’Anosizato, nipaka  hatreny Ampasampito ny fisafoana izay natao niaraka tamin'ireo tompon’andraikitry fari-piadidian’ny  zandary, tafika ary polisy. Nampahery  sy nampirisika ireo ekipa miasa eny ifotony ny minisitra sady nanantitrantitra  ny amin’ny  tokony hisian'ny firaisankina hatrany eo amin’ny telo tonta amin’ny fametrahana fandriampahalemana eto Antananarivo. Efa misy ny fepetra noraisina amin’ny fiarovana ny vahoaka ka anisan’ny nohamafisiny ny any Avaradrano sy Atsimondrano sy ny manodidina an’Antananarivo. Ny SEG, ny Jeneraly Richard Ravalomanana kosa dia nanambara fa efa nisy teo aloha ilay antsoina hoe : «Dispositif papango» ary hamafisina izany amin’izao. Haseho ny vahoaka fa tokony hatoky ny mpitandro filaminana izy ireny ary  hatao tsapan'ireo jiolahy ihany koa fa manao ny asany ny mpitandro filaminana. Nanome toromarika koa ny SEG fa hohamafisina ny fisavana ny môtô sy ny fiara amin’ny alina ary tokony hanaiky ny fandaminana ny olona satria matetika dia ny  môtô no entin’ireo mpanao fanafihana manao ny asa ratsiny.Tokony hatoky ny olona fa manao ny asany ara-dalàna ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao, hoy hatrany izy ireo.  Tsiahivina moa fa zandary miisa valo, tafika valo, ary polisy iray no namoy ny ainy tamin’ny taona 2019 vokatry ny fiarovana ny ain’ny mpiara-belona. Vao tamin’ity herinandro ity ihany koa dia polisy iray no maty voatifitry ny  jiolahy tany Toamasina.

 

Pati

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT