Sosialy

Ady amin’ny tsy fananan’asa Tanora miisa 160.000 no efa nahazo fiofanana


  • Alatsinainy 14 Jona 2021

Tanora miisa 160.000 no efa nomen’ny Ministeran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa fiofanana teto amintsika tato anatin’ny 9 volana.

Karazana fiofanana maro no efa nomena azy ireny toy ny fanamboarana lalana pave, ny fitondrana ireny fiarabe mpanamboatra lalana ireny na ho an’ny zatovolahy na ho an’ny zatovovavy ankoatra ny asa fanjairana…. Tanjona amin’izany ny mba hahafahana miady amin’ny tsyfananan’asa izay tena mahazo vahana tokoa eto amintsika. Zary lasa manaotao foana avokoa mantsy ny ankamaroan’ ireo tanora tsy an’asa ka tsy maintsy hitadiavam-bahaolana no sady hahafahana miady amin’ny fahantrana ihany koa. Mpianatra niofana momba ny fitondrana fiarabe am-polony indray no navoaka tamim-pomba ofisialy ny faran’ny herinandro teo teny anivon’ny INFP, natrehin’ny Ministra tompon’andraikitra. Nambaran’ny Ministra nandritra izany fa mbola hitohy hatrany ny fanofanana ireo tanora eto amintsika ho fanamaivanana ny fahasahiranan’ny isan-tokantrano.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT