Sosialy

Ady amin’ny tsy fananan’asa Tanora miisa 16 no nomena fiofanana tao Ankadikely Ilafy


  • Talata 23 Mey 2023

Be loatra ireo tanora tsy an’asa eto amintsika. Ankoatra ireo nahavita fianarana nefa tsy mahita fianarana mifandraika

amin’izany dia marobe ihany koa ireo tsy mba afaka nanohy fianarana hatramin’ny farany vokatry ny fahasahiranan’ny Ray aman-dReny. Lasa manaotao foana sy variana amin’ny zavatra tsy dia misy antony loatra ny tanora noho izany raha tsy lazaina intsony ireo mirona mankany amin’ny asa fisolokiana, fangalarana, filokana, fisotroana…. Mba hahafahana miady amin’izany dia miezaka manofana ireo tanora ao aminy ny kaominina Ankadikely Ilafy, distrikan’Avaradrano. Tanora miisa 16 nahavita fiofanana tao amin’izy ireo izay misalotra ny anarana "FIVOARANA" omaly no navoaka tamim-pomba ofisialy. Vokatry fiara-miasa teo amin'ny CFP Belanitra sy ny orinasa iray eny an-toerana ary ny Kaominina Ankadikely-Ilafy no nahafahana nanantanteraka izany. Tanjona ny hanohanana ireo tanora ao an-toerana amin'ny fampananan'asa izay anisan’ireo fanamby napetraky ny Ben'ny Tanàna Rija Rajaonah. Izy moa no Ray mpiahy ity andiany vao navoaka omaly ity.
Pati
Legende : Nandritra ny fanolorana mari-pankasitrahana ho an’ireo mpiofana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT