Sosialy

Ady amin’ny tsy fananan’asa Tanora 25 nofanina momba ny taon-trano sy ny asa vaventy


  • Talata 17 Mey 2022

Tena mahazo vahana ny tsy fananan’asa eto amintsika. Tanora miisa 25 no nahazo fiofanana momba ny taon-trano sy ny asa vaventy ho an’ny kaominina Talatamaty.

Niompana tamin’ny asa fanamboaran-trano sy ny fanamboarana lalana rarivato ny fiofanana , mba hahafahan’izy ireo mivelona ka tsy hanaonaovany foana. Mbola hisy anefa ny fampiharana hotanterahin’izy mialohan’ny hiatrehany ny tena asa raha araka ny fanazavan-dRatsimandresy Jimmy, tompon’andraikitra eo anivon’ny sampana teknika ao anatin’ny kaominina. Hitohy amin’ny fanofanana ireo tanora momba ny tenim-pirenena vahiny, ny informatika …ny fiofanana. Tanjona hatrany moa raha araka ny fanazavan’ity tompon’andraikitra ity ny mba hahafahana mampihena ny tahan’ny tsy fananan’asa ao anatin’ity kaominina ity sy hiarovana ireo tanora tsy hidonanam-poana, tranga izay mety hisarika azy ireo amin’ny fidorohana zava-mahadomelina sy ny fivarotan-tena ho an’ny vehivavy.
Pati
Legende : Ratsimandresy Jimmy, tompon’andraikitra amin’ny sampana teknika eo anivon’ny kaominina Talatamaty

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT