Sosialy

Ady amin’ny tsy fananan’asa Omena fiofanana ny mponina ao Talatamaty


  • Zoma 13 Janoary 2023

Tena mitombo andro aman’alina ireo olona tsy an’asa eto amintsika indrindra fa ny tanora.

Antony mampitombo ny fidonanam-poana sy ny asa fangalarana ihany koa izany, ka nanosika ny kaominina Talatamaty hanofana manokana ireo olona tsy an’asa ao aminy. Maimaimpoana izany fa tsy handoavam-bola. Natomboka tamin’ny fanovana toe-tsaina sy ny fomba fitondran-tena eny anivon’ny orinasa ny fanofanana, omaly. Nitohy tamin’ny fandrosoana amin’ny ankapobeny izany, fangatahana manokana izay fantatra fa nataon’ireo orinasa mpiara-miasa amin’ny kaominina. Misy ihany koa ny fiofanana arak’asa omena ireo izay vonona toy ny fampiasana ny machine industrielle, ny centre d’appel, ny resaka fitantanana ary ny informatika. Izany no natao moa hoy ny Ben’ny tanànan’ny kaominina Talatamaty dia hahafahana mampihena ny tahan’ireo tanora tsy an’asa ao amin’ny faritra iadidiany. Ankoatra ity ady amin’ny tsy fananan’asa ity dia fantatra fa hijery ny karaman’ireo mpiasa madinika izay tsy mbola nisy fikarakarana tao anatin’ny taona maro ao amin’ny kaominina sahaniny ny Ben’ny tanàna Raharinoasy Elie Dominic. Toraka izany koa ny fanatsarana ny fitantanana sy ny fomba fiasa eo anivon’ny kaominina Talatamaty.
Pati
Legende : Nandritra ny fivoriana notarihin’ny Ben’ny tanàna Raharinoasy Elie Dominic
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT