Sosialy

Ady amin’ny tsy fananan’asa Mirona amin’ny fanjairana ny ankamaroan’ny tanora


  • Alatsinainy 03 Oktobra 2022

Ny asa fanjairana no anisan’ny asa tena hironan’ny sain’ireo tanora tsy manana diplaoma firy nefa maniry ny hiditra eo amin’ny sehatry ny asa ankehitriny.

Anisan’ireny ny fidirana miasa eny anivon’ny orinasa afaka haba izay mety handraisana karama hatrany amin’ny 150.000 Ar isam-bolana raha kely ho an’ireo vao hanomboka hiasa. Tena betsaka ireny olona ireny raha araka ny fanazavan-dRazanamanalina Volana. Izany indrindra hoy izy no nanosika ny Eccova hanampy azy ireny amin’ny alalan’ny fiofanana hahazoana mari-pahaizana ankoatra ny fampianarana manjaitra poketra sy kiraro ary ny lamaody. Ny zaitra mantsy amin’ny ankapobeny hoy izy no mbola hany lalan-tokana sady malalaka hahafahana mivelona eto amintsika indrindra fa ho an’ireo tia mamorona. Ho an’ireo tsy manan-talenta ho amin’izany kosa dia nambarany fa mety ho tonga ambony sy lavitra kokoa ireo maniry ny hiasa eny anivon’ny orinasa afaka haba raha miezaka mampitombo ny traikefa hananany indrindra eny anivon’ny toeram-piasana misy azy. Ny 40%-n’ireo tanora eto an-drenivohitra moa no efa miaina sy mivelona amin’ny alalan’ny orinasa afaka haba eto amintsika raha manodidina ny 10% eo ho eo ireo olon-dehibe.
Pati
Legende : Razanamanalina Volana, filoha tale jeneralin’ny Eccova, manentana ny tanora tsy hiononana fotsiny amin’izao fa hanao ezaka.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT