Sosialy

Ady amin’ny tsy fananan’asa Miezaka manofana ireo tanora ao aminy ny kaominina Talatamaty


  • Talata 10 Mey 2022

Mitombo isa hatrany ireo tanora tsy an’asa eto amintsika. Ankoatra ireo nahavita fianarana nefa tsy mahita asa mifandraika amin’ny lalam-piofanana nianarany dia misy ihany koa ireo niangaran’ny vintana ka tsy afaka nandia ny

varavaran-tsekoly akory na tsy nahavita hatramin’ny farany ny fianarany hany ka lasa vesatry ny fiaraha-monina. Mba ho fanampiana azy ireny dia nijery manokana ireo tanora tena sahirana ao anatin’ny faritra iadidiany ny kaominina Talatamaty, tarihin’ny Ben’ny tanàna Raharinoasy Elie Dominic. Teknisiana miisa 4 sy olona miisa 30 tao anatin’ny kaominina ohatra fotoana vitsy lasa izay no nomena fiofanana momba ny fanamboarana pave hanamboarana lalana. Mitohy amina sampam-piofanana maro isan-tsokajiny izany ka ankizy miisa 120 hatreto no efa tafiditra niasa, raha manodidina ny 300 isa kosa ireo mivondrona anaty fikambanana miandrandra fiofanana sy asa mendrika ho azy hahafahany mamelona ny tenany sy ny ankohonany. Ireo orinasa eny amin’ny manodidina sy ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny kaominina ihany moa no mandray azy ireny hiasa, raha anisan’ny tanjona kosa ny hahafahana miady amin’ny fahantrana, antony mitarika ireo tanora sasany hanaotao foana. Mbola hitohy hatrany ny ezaka hanampiana ireo tanora ao aminy ho an’ny kaominina Talatamaty.
Pati
Legende : Raharinoasy Elie Dominic, Ben’ny tanànan’ny kaominina Talatamaty
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT