Sosialy

Ady amin’ny tsy fahampian-tsakafo Hamoaka 20,2 tapitrisa dolara ny BAD


  • Alatsinainy 18 Jolay 2022

Nankatoavin’ny Filankevi-pitantanan’ny Banky Afrikanina momba ny fampandrosoana na ny BAD ny 15 jolay 2022 teo tany Abidjan Côte d’Ivoire ny fifanarahana ara-bola mitentina 20,20 tapitrisa

dolara amin’i Madagasikara. Haompana amin’ny ady amin’ny tsy fanjariana sy tsy fahampian-tsakafo io, ka isan’izany ny fampiroboroboana ny famokarana voamaina sy akora aza hakana menaka. Tetikasa izay natao hiatrehana sy hisorohana ny fiantraikan’ny ady any Ukraine. I Madagasikara izay marihina fa firenena faha-17 maneran-tany amin’ny fanafarana entana sy vokatra any amin’io firenena io. Isan’ireo firenena marefo sy tena mbola betsaka olona ianjadian’ny tsy fahampiana sy tsy fanjarian-tsakafo i Madagasikara, izay nomen’ny sehatra iraisam-pirenena toromarika mba hametraka ho laharam-pahamehana ny fambolena sy ny fiompiana. Nomarihin’ny BAD moa, fa ny 78% amin’ity famatsiam-bola ity izay manome 15,77 tapitrisa dolara eo dia tsy haverina.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT