Sosialy

Ady amin’ny mikraoba Entanina hanasa tanana koa ireo mpitsabo mandray marary


  • Alakamisy 05 Septambra 2019

Entanina hanasa tanana avokoa ireo mpitsabo eny anivon’ny tobim-pahasalamana amin’izao, aorian’ny fandraisany an-tanana marary iray na fandraisana fitaovana iray avy nampiasaina.

 

 

Ny hiarovana ireo mikraoba tsy hifindra amin’ny marary hafa no tanjona, hoy ny dokotera Ravaosendrasoa Hantanirina, lehiben’ny sampandraharaha momba ny fahadiovana eo anivon’ny hopitaly HJRA Ampefiloha. Tsy maintsy manasa tanana amin’ny savony izy ireny. Mety ihany koa ny manasa tanana amin’ny savony antiseptika…. Nomarihiny manokana moa ny ankizy hatrany no nentanina hanasa tanana amin’ny savony hatramin’izay  mba hampirindra ny fahasalamany.Ankehitriny dia miditra amin’ny olon-dehibe indray isika, indrindra fa ny mpitsabo noho ireo marary efa marefo ny hery fiarovana ao anatiny. Anisan’ny mandray anjara amin’ilay kongresy  voalohany “Infection Control Africa Network” tanterahina etsy amin’ny hotel Cartlon nanomboka, omaly alarobia 4 septambra ireo dokotera manampahaizana mivondrona ao anatin’ny SPIM eto amintsika. Tanjon’izy ireo ny hifanakalo  traikefa amin’ireo mpitsabo teratany vahiny mampiasa ny teny anglisy aty Afrika,  hoenti-miady amin’ny aretina.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT