Sosialy

Ady amin’ny kere Mila 100 tapitrisa dolara ny fampidiran-drano any Atsimo


  • Alarobia 07 Jolay 2021

Manodidina ny 100 tapitrisa dolara no vola ilain’i Madagasikara amin’izao fotoana hanatanterahana ny tetikasa goavana fampidirina rano fisotro madio any atsimo izay ianjadian’ny kere

hoy i Michel Saint-Lot solontenan’ny UNICEF eto Madagasikara.Raha nanao fampidiran-drano tamin’ny 14 taona lasa anefa isika dia 60 tapitrisa dolara no nilaina.Vidiana lafo arak’izany ny fitavozavozana na fitarozahan’ny fanapahan-kevitra.Tsy ho tahaka izao ny zava-misy raha natao araka ny tokony ho izy ny fampidirana rano fisotro madio tany Atsimo nandritra izay 30 taona izay. Ny tena mahagaga amin’ity resaka kere sy olan’ny tsy fahampian-drano ary ny fahoriana mianjady any atsimo ity dia to any vahiny indray no tena taitra sy mikorapaka ary tena mahavoaka teny mahery ny sasany fa ny fitondram-panjakana dia variana amina na zavatra hafa; tsy ampy fampitam-baovao sy serasera rehefa hitantara ny asa natao sy hatao saingy raha hanenjika olona dia mailaka ery.Efa ho roa herinandro izao no nampalaza ilay hoe mihinana hoditr’omby ireo olona kere any atsimon’i Madagasikara ary nivoaka tamin’ny haino aman-jery Frantsay sy Amerikana izany saingy tsy dia naharesy lahatra ny rehetra ny valin-kafatra avy aty amin’ny fanjakana Malagasy ary dia nafatratra any amin’ilay mpanao gazety ny tsiny rehetra, ny vahaolana amin’ilay fototr’olan’ny kere mbola mmanjavozavo.
RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT