Sosialy

Ady amin’ny kere Hiverina any Androy ny Filoham-pirenena


  • Talata 20 Oktobra 2020

Ny 22 oktobra izao no hotokanana ny « Centre de Rehabilitation Nutritionnelle et Médicale » izay ivon-toerana iadiana amin`ny kere any amin`ny faritra Androy, izay iarahan` ny minisiteran` ny fahasalamam-bahoaka sy ny ONN miasa.

 

 

Mitsidika ny tapany atsimon` ny nosy ireo ministra miisa enina ho famahana ny olana misy any an-toerana. Ao Tsihombe ny Ministry ny Mponina, Ministry ny Fahasalamam-bahoaka, ary ny Ministry ny Rano. Any Ambovombe kosa ny Ministry ny Harena an-kibon'ny tany sy ny Ministra lefitra misahana ny tanana vaovao manao fanisam-bahoaka faobe. Mamita iraka any Beloha kosa ny Ministry ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra. Raha ny fantatra dia hiverina fanindroany any atsimo ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina. Efa mipetrapetraka avokoa ny lamina rehetra amin'ny famahana fohy ezaka sy lavitra ezaka mahakasika ireo vahoaka iharan'ny hain-tany sy mosary ireo.

Marigny A. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT