Sosialy

Ady amin’ny Kere any Atsimo Tokantrano 22 000 hahazo 200 000 Ar isanisany


  • Alatsinainy 07 Desambra 2020

Nisy ny fihaonana teo amin’ny solontenan’ny Mpiara-miombon’antoka sy ny



Governemanta Malagasy, izay notarihan’ny Praiminisitra Christian Ntsay sy ny Minisitra vitsivitsy tany Ambovombe omaly. Natao izany mba hijerena mivantana ireo asa rehetra hiadiana amin’ny kere fa indrindra koa fandrindrana ny paika ady maika sy maharitra hamahana ny tsy fanjariana ara-tsakafo mihatra amin’ny mponina any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy. Anisan’izany ny hetsika Toseke Vonje Aigne tanterahin’ny Governemanta Malagasy amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola izay iarahana amin’ny PNUD. Mandritra izany no izarana isan-tokantrano 200.000 ariary indray manolotra (mitovy amin’ny 80.000 ariary isam-bolana mandritra ny 2 volana sy tapany). Marihana fa maherin’ny 22.000 tokantrano ao amin’ny faritra Androy sy Anosy no misitraka izany fanampiana izany : Amboasary Atsimo, Ambovombe, Beloha, Tsihombe ary Bekily. Vinavinaina mandritra ny 10 andro eo ho eo ny fanatanterahana izany, raha natao tamin’ny 30 novambra 2020 ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT