Sosialy

Ady amin’ny homamiadana Hifanome tanana ny Etamazaoron’ny tafika sy ny Fondation Akbaraly


  • Alakamisy 19 Martsa 2020

Hifanome tanana amin’ny ady hatao amin’ny aretina homamiadana mahazo ny vehivavy ny Etamazaoron’ny tafika Malagasy (EMGAM) sy ny fondation Akbaraly ary ny Ong La Vita Per Te.

 

 

 

 

 

 Raha tsiahivina dia  efa nanomboka tamin’ny taona 2019 no niara-niasa ny   roa tonta, tao anatin’ny fankalazana ny oktobra vonin-draozy, volana iadiana amin’ny homamiadana mpahazo ny nono. Nisy ny fanentanana nataon’ny Fondation Akbaraly nandritra izany narahin’ny fitiliana maimaim-poana  ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza, fisorohana azo hatao mialoha ho an’ny vehivavy rehetra.  Fikambanam-behivavy maro no nahazo tombontsoa tamin’izany ka anisan’ireny ny FIVAMI na ny fikambanan’ny vadin’ny miaramila. Tsy latsaky ny 500 isa ireo vehivavy tao amin’ity fikambanana ity no nahazo tombontsoa tamin’izany. Mbola  hitohy mandritra ity  taona 2020 ity izany fiaraha-miasa izany haharitra roa taona. Hisy indray araka izany ny fanentanana sy fitiliana ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza  hataon’ny Ong La Vita Per Te sy ny Fondation Akbaraly ary ny fikambanan’ny vehivavy vadin’ny miaramila  eto Madagasikara amin’ny alalan’ny fitetezana faritra. Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny fandraisana an-tanana ireo ankizy lasibatry ny tsy fanjarian-tsakafo. Anisan’ny  nanao sonia izao fifanekem-piaraha-miasa izao ny  Général de Division Rakotonirina Théophile Justin an-daniny, notronin-dRtoa  Cinzia Catalfamo Akbaraly, filoha mpanorina ny Fondation Akbaraly an-kilany.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT