Sosialy

Ady amin’ny herisetra Mandray fitarainana ihany koa ao amin’ny toby Ratsimandrava


  • Sabotsy 16 Mey 2020

Ankoatra ireo toerana fandraisana fitarainana toy ny etsy amin’ny PMM Tsaralalana sy Anosy ary ny Brigade feminine de proximite ahitana ireo

 

 

 

 

vehivavy polisy miaro ny vehivavy sy ny ankizy amin’ny herisetra dia fantatra ihany koa fa efa mandray izany ny SPEM ( Service pour la protection des enfants et des mineurs) ao amin’ny toby Ratsimandrava Andrefan’Ambohijanahary. Noho ny firongatry ny herisetra mandritra ny fihibohana no voalaza fa anton’izany. Raha araka ny fantatra mantsy dia nitombo be izany raha oharina tamin’ny taona 2019 ka ankoatra ny herisetra ara-batana izay miaro famonoana mihitsy dia mahazo vahana tanteraka ny herisetra ara-bola. Raha araka ny fijoroana vavolombelona nataona renim-pianakaviana iray tonga mivantana nitaraina tetsy Tsaralalana dia zara raha manome vola azy ny vadiny no sady mandatsalatsa ihany koa. Ankoatra ity farany dia manahy ny amin’ny mety hakan’ilay lehilahy ny zanany ihany koa ity Renim-pianakaviana ka tonga nitaraina sy nitady fanampiana. Nanamafy araka izany ireo mpitandro ny filaminana fa ankoatra ilay laharana maintso 813 izay hahazoana azy ireo dia azo hatao tsara ny manatona azy ireo eny amin’ny birao eny fa na dia ho an’ ireo mahita trangana herisetra eny amin’ny manodidina aza.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT