Sosialy

Ady amin’ny herisetra mahazo ny vehivavy Zandary 40 no nanaovana fanentanana


  • Talata 03 Desambra 2019

Ny 30 %-n’ ireo vehivavy 13 ka hatramin’ny 49 taona no efa niaina herisetra eto amintsika.

 

 

 

 

 Ankoatra ny herisetra ara-tsaina mahazo ny vehivavy  izay mitana ny laharana voalohany dia manaraka izany ny herisetra ara-batana toy ny  vono sy ny daroka. Anisan’ny tena mateti-pitranga koa ny siotsiokan’ireo lehilahy rehefa mahita vehivavy manao zipo fohy, ny teny maharary hataony eny an-dalambe….Manoloana izany dia miezaka hatrany ny tetikasa Sahala sy ny Ong C for C  manentana ireo lehilahy eny anivon’ny fiaraha-monina hahafahana mampihena izany taha izany. Ireo zandary miisa 40 tetsy amin’ny toby Ratsimandrava  indray omaly no nanaovan’izy ireo fanentanana manokana  mba hahafahany mampita izany any amin’ny namany sy  ny fianakaviany. Tsiahivina moa fa tafiditra ao anatin’ilay hetsika 16 andro maneran-tany iadiana amin’ny herisetra mpahazo ny vehivavy ity fanentanana ity. Mbola sakana tsy hahafahana miady amin’ny herisetra moa ny tsy fahasahian’ireo vehivavy sasany milaza ny zava-misy iainany marina  noho ny tahony ny vadiny sao dia hampidirina am-ponja.

 

             

Pati

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT