Sosialy

Ady amin’ny herisetra ara-nofo Tsy hahazo fanalefahan-tsazy ireo voaheloka


  • Alakamisy 12 Novambra 2020

Isan’ny nampitaraina ny maro ary nahazo vahana tato ho ato ny herisetra ara-nofo mihatra amin’ireo zaza. Hentitra ny Filoha Rajoelina ary nanamafy izany tamin’ny mpikambana rehetra ao amin’ny governemanta nandritra ny Filankevitry ny

 

 

Minisitra omaly fa « ireo rehetra manao ny herisetra sy fanararaotana ara-nofo indrindra amin’ireo zaza dia tsy maintsy iharan’ny sazy mafy indrindra dia ny asa an-terivozona, araka ny voasoratra ao anaty lalàna” . Nohamafisin’ny Filoha hatrany ny fandraisan’andrakitra hentitra tokony hasehon’ireo ministera isan-tokony voakasik’izany, toy ny ministeran’ny mponina sy ny fiahiana ara-tsoasialy ary ny fampivoarana ny vehivavy, ny ministeran’ny fitsarana, ary ny ministeran’ny filaminana anatiny. Hisy ny rafitra manokana manomboka izao hanenjehana ireo rehetra manao ny herisetra mifototra amin’ny maha lehilahy na ny maha vehivavy ary ny herisetra atao amin’ny zaza. Tsy maintsy hamafisina ny sazy, hoy izy. “Famonjana aloha no hampiharina amin’ireo rehetra tratra manao herisetra amin’ireo zaza madinika. Ary tsy ahazo fanalefahan-tsazy ireo izay voaheloka amin’izany”.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT