Sosialy

Ady amin’ny hanoanana Amin’ny 2030 mifankahita


  • Alakamisy 15 Martsa 2018

Notontosaina omaly tetsy amin’ny minisiteran’ny toekarena etsy Anosy ny atrikasa hanafoanana tanteraka ny hanoanana eto Madagasikara amin’ny taona 2030 na ilay tetikasa « Faim zero ».

Mifarimbona amin’ny minisiteran’ny tontolo iainana moa ny minisiteran’ny toekarena amin’ny fanatontosana ity vina ity, raha ny fanazavan’ny minisitra, Herilanto Raveloharison, satria izay mahazo ny toetr’andro dia miantrainka amin’ny fambolena. Miara-miasa ihany koa amin’ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena sy anatiny toy ny FAO sy ny PAM. Raha ny fanadihadian’ny firenena mikambana farany moa dia tratry ny tsy fanjarian-tsakafo io avokoa ny 43%-n’ireo zaza latsaky ny 5 taona eto Madagasikara. Ny tapany atsimon’ny nosy no tena lasibatr’izany, raha tsiahivina hatrany, satria dia eo amin’ny mponina miisa 840.000 eo  no tena mbola mila arahi-maso fatratra. Ho hita eo tokoa izany amin’ny taona 2030.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT