Sosialy

Ady amin’ny fiparitahan’ny fako Tonga any amin’ny faritra atsinanana ny Kopakelatra


  • Alarobia 10 Novambra 2021

Ny fiandohan’ny volana teo no tonga tany Toamasina ny tetikasan’ny STAR miaro ny tontolo iainana, Kopakelatra, tetikasa izay manana tanjona amin’ny fampianarana ny olon-drehetra hitandro ny fahadiovana amin’ny alalan’ny

 fanangonana ny tavoahangy plastika efa niasa eny amin’ireo baka natokana ho amin’izany. Ny orinasa Ambatovy sy tombin-tsolika Galana iray any Toamasina no nisitraka ireo baka Kopakelatra nandritra ny fampahafantarana natao mahakasika ny tetikasa.Ny Alarobia 03 Novambra lasa teo ny STAR no nanolotra tamin’ny fomba ofisialy ireo baka Kopakelatra ho an’Ambatovy tao amin’ny Centre de Formation Ambatovy, izay natrehin’ny mpiara-miombon’antoka ADONIS. Miisa 16 ireo baka fanangonana tavoahangy natolotra an’Ambatovy ka 05 amin’ireo any Moramanga ary 11 kosa any Toamasina. Natokana manontolo hampiasain’ireo mpiasa ao Ambatovy eny amin’ny toeram-piasana ireo baka ireo hampizatra azy ireo hanary ireo tavoahangy plastika efa niasa eny amin’ny toerana tokony hanariana azy. Fihetsika hampianarina izay mifanindran-dalana amin’ny fijerin’ny orinasa amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.Tohin’izany fanomezana izany dia nisy ihany koa ny hetsika « Tananàko Madio » notanterahina tamin’ny tanàna miisa valo tao Toamasina. Hetsika santatra tany an-toerana noentina nampahafantarana ny tetikasa Kopakelatra sy nampandraisana anjara ny daholobe amin’ny fanangonana tavoahangy plastika manerana ny tanànan’i Toamasina. Nahatratra 380 kilao moa ny tavoahangy tsy miasa voaangona nandritra izany.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

Hijery ny tohiny
FTT