Sosialy

Ady amin’ny fiparitahan’ny diky Nahazo toeram-pivoahana sy fidiovana ny fokontany Andraisoro


  • Zoma 21 Jona 2019

Mbola betsaka ireo olona tsy manana toeram-pivoahana sy fidiovana eto amintsika. Voakasik’izany manokana ny eny amin’ny faritra iva izay ny 30 % monja no manana.

 

 

Tsy vitsy ireo voatery manao maloto eny rehetra eny antony miteraka fofona ratsy eny amin’izay toerana rehetra aleha ankoatra ny aretina entiny. Hisorohana izany dia nahazo toeram-pivoahana sy fidiovana vaovao  ny fokontany Andraisoro, ao anatin’ny boriborintany fahadimy. Vokatry ny ezaky ny sefom-pokontany vaovao Rasolofomanana Rolland no angady nananana sy vy nahitana izany raha fikambanana tsotra kosa no mitantana ny fotodrafitrasa. Ny talata lasa teo no notokanana tamim-pomba ofisialy izany. Tsiahivina fa efa nahazo ivontoerana ho an’ny pôlisy ihany koa ny ao Andraisoro ka tsy nisy intsony ny vaky trano sy ny hala-botry hatreto.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT