Sosialy

Ady amin’ny fihanaky ny entana avy any ivelany Mbola mila ezaka be eto Madagasikara


  • Sabotsy 22 Desambra 2018

Amin’izao ankatoky ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona izao dia tena maro ireo entana avy any ivelany mitobaka eran’ny tsena.

 


Mazava ho azy fa mamono hatrany ny vokatra vita Malagasy izany ary tena mampikaikaika ny mpamokatra sy ny mpandraharaha mihitsy. Ilaina ny fanamafisana sy ny fanohizana ny ady amin’ny fidiranan’ny entana be loatra avy any ivelany hoy ny minisitry ny varotra sy ny fanjifana, Yvette Sylla nandritra ny fankasitrahana sy ny fanolorana vary sy vorona ary menaka sy siramamy ho an’ny mpiasa omaly zoma 21 desambra tetsy Ambohidahy. Ankoatr’izay dia nisaotra ny mpiasa izy ny amin’ny ezaka rehetra vita nandritra ny taona satria iaraha-mahita ny fisian’ireny vary simba sy ny fidangan’ny vidim-bary tato ho ato ireny izay niarahan’ny mpiasa nisalahy ny fijerena ny vahaolana. 900 mahery ny mpiasa nandray ny fanomezana ary amin’izao dia efa misitraka ihany koa ny fanatsarana ny birao ao an-toerana izy ireo. Fa tombony ihany koa ny nananganana ny rafitra mpanao fanadihadiana amin’ny lalàna momba ny fifaninanana (ANMCC) tao amin’ity minisitera ity.  Natsangana izany hanao ny fanadihadiana sy ny  fanangonam-baovao momba ny fandraharahana manodidina ny vokatra anankiray mba tsy hamono ny orinasa anatiny ka hampihena ny tombom-barotra miditra aminy.

Tsirinasolo

 

 

    

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT