Sosialy

Ady amin’ny fanolanana Mitaky fanovana toe-tsaina hoy ny jeneraly Ravalomanana


  • Alarobia 04 Novambra 2020

Mirongatra ny fanolanana zaza amam-behivavy eto amintsika. Saika nihatra taman’aina hatrany izany tato ho ato izay nahitana zazalahy kely vao 14 taona monja naterina teny amin’ny Centre Vonjy etsy amin’ny hôpitaly Befelatanana raha

 

toraka izany koa ilay zazavavy kely vao 7 taona monja monina etsy Anosibe alevina anio eny Ambohimanga. Raha araka ny fantatra hatrany ho an’ny Centre Vonjy manokana izay mandray an-tanana ireo ankizy hiharan’ny fanolanana tahaka itony dia nahatratra 92 ireo tonga nanatona azy tamin’ny volana Oktobra lasa teo izay manodidina 3 isan’andro eo ho eo. Nivoaka tamin’ny fahanginana ny jeneraly Ravalomanana, sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena nandritra izany ka nambarany fa ilaina mihitsy ny fanamafisana ny fanabeazana sy ny fanovana toe-tsaina eto amintsika, indrindra fa ho an’ny lehilahy. Tsy sitraponay mpitandro ny filaminana hoy izy ny hanagadra ireo jiolahy sy mpanolana saingy tsy maintsy hatao izany mba hanafaizana azy. Miantso ireo tompon’andraikitra hanatevina ny fanabeazana omena olom-pirenena tsirairay avy araka izany ity tompon’andraiki-panjakana iray ity.

Pati 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT