Sosialy

Ady amin’ny fanilikilihana sy fahantrana Tokony ho isan’andro, hoy ny ATD Quart monde


  • Zoma 19 Oktobra 2018

Isaky ny 17 oktobra no hankalazana ny andro iraisam-pirenena hiadiana amin’ny fahantrana. Omaly kosa no namaranan-dry zareo avy eo anivon’ny fikambanana ATD Quart monde izany tetsy Analakely.

 

 

 

 Efa nisy ny hetsika isan-karazany natao ny alarobia teo toy ny latabatra boribory niadian-kevitra mikasika ny resaka zon’olombelona, ny fijoroana vavolombelon’ny fianakaviana sahirana, fetin’ny zavakanto sy ny maro hafa. Anisan’ny nezahana naranty hatrany ny filana ny atao hoe finiavana hiasa, raha ny fanazavana, ary nezahana nanaporofo izany ny fampisehoana ireo vokatry ny fianakaviana sahirana mikambana ao amin’ity fikambanana voalaza teo ity. Isany ohatra ny fanamboarana fatapera mitsitsy, ny haizaitra, ny peta-kofehy. Tokony ho isan’andro, hoy ny tompon’andraikitra, Prisca Randrianarindriana, no hiadiana amin’ny fanilikilihana sy fahantrana. 25 taona ankehitriny ity fikambanana ity ary 600 isa eo ireo mpikambana manerana ny nosy.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT