Sosialy

Ady amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona


  • Alarobia 07 Jona 2023

Hamory ireo tompon’andraikitra isan-tokony ny mediatiora

Miha mahazo vahana ny fampiasana zaza tsy ampy taona eto amintsika. Mahatsiaro ho manana andraikitra amin’izany ny mediatiora ka fantatra fa hamory ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ato ho ato hahafahana manavao ny lalana mifandraika amin’izany. Raha araka ny fanazavan’ny maitre Lala Ratsirahonana, mediatiora eo anivon’ny Repoblika mantsy dia misy ny lalana mifehy ny fampiasana zaza tsy ampy eto amintsika saingy tsy ampy no sady tsy dia mazava loatra ny fampiharana azy. Tsy matahotra intsony ireo mpanam-bola noho izany manakarama ireo kilonga madinika miaraka miasa an-trano, mikapo-bato, mitrandraka harena an-kibon’ny tany….Maro ireo fitsipika tokony hapetraka araka izany hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity. Notsiahivin’ny Maitre Lala Ratsirahonana moa fa mitarika mankany amin’ny fanaovana herisetra ny ankizy madinika ny fampiasana azy ireny aloha loatra. Tsiahivina moa fa ny 27%-n’ny zaza malagasy 5 ka hatramin'ny 17 taona no efa misehatra sahady eo amin'ny tontolon'ny asa.
Pati
Legende : I Tenasoakely , tratran’ny aretina lefakozatra vokatry ny asa fitrandrahana nataony tany amin’ny faritra Atsimo.
(Sary nindramina)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT