Sosialy

Ady amin’ny fahantrana Ny toe-tsaina sy ny rafitra ifotony no tokony homena lanja


  • Alatsinainy 29 Jolay 2019

Tsy midika akory fa tsy maintsy voretra, fa ny toe-tsaina no tokony hamboarina ary ny rafitra eny ifotony toy ny fokontany dia tokony homen’ny fanjakana fahefana feno amin’ny fanaraha-maso sy ny fampandrosoana ny faritra misy azy.

 

 Fa tsy napetraka fotsiny ho mpanatanteraka baiko avy any ambony toy ny fanaovana “recensement”, fanomezana fanamarinam-ponenana, mpizara kara-pifidianana fa tsy misy misy asa fampandrosoana vitany mivaingana azo tsapain-tanana. Ny fahadiovan’ny faritra tsirairay dia mariky ny fandrosoana eo amin’ny fokontany, faritany ary ny firenena fa tsy rehefa tonga ny 26 jona na andro hafa ankalazana vao entanina ny olom-pirenena hanao fanadiovana faobe na misy valan’aretina miseho  toy ny pesta vao manentana ny vahoaka hanadio ny tanànany sy ny faritra misy azy. Ny fahadiovana dia tokony hiainana isan’andro  ny olom-pirenena tsirairay avy fa tsy amin’ny andro iray ihany. Noho izany, andraikitry ny fanjakana no manentana ny vahoaka amin’ny haino aman-jery rehetra isan’andro amin’ny fanadiovana ny tanànany. Mamoaka didy, asa tsy maintsy tanterahin’ny sefo fokontany rehetra ary omena sazy ireo tsy manara-dalàna. Ohatra, raha misy olona manorina trano dia tsy maintsy miaraka amin’ny trano fivoahana iny ary ny fokontany no manara-maso izany  sy mampihatra ny sazy ho an’ireo mafy loha ka efa nomena fampitandremana. Marihina fa ny fanjakana no mametra  ny sandam-bola eo amin’io sazy io. Misava ny tanàna tsirairay sy ny manodidina azy amin’ny fahadiovana. Ny lehiben’ny fokontany no mitsinjara ny karitie ao amin’ny faritra iadidiany, ka omena loka ny “secteur” madio indrindra hoentin’ireo vahoaka ao amin’ny karitie misy azy hanatsarany ny faritra ipetrahany ary omena sazy kosa ireo “secteur” tsy mivaky loha. Ireo olona tratra mandoto sy manary fako eny an-dalambe eo amin’ny fokontany ipetrahany dia saziana avy hatrany (ndlr: mandroaka ny loto nataony na ampandoavina lamandy eo no ho eo). Lasa mifampitaiza ny olom-pirenena ary saro-piaro amin’ny faritra sy ny fokontany misy azy. Dia toy izany koa ny tsena sy ny arabe iray izay andraikitry ny kaominina no manabe sy manara-maso izany, toy ny fokontany, izany hoe, atao raikitra ny toerana hivarotan’ny mpivarotra tsirairay ary izay tratra tsy manadio ny faritra ivarotany na mamela ny fakony teo amin’ny toerana nipetrahany dia omena ny sazy na tsy mahazo mivarotra mandritra ny andro vitsivitsy, fa raha mbola  be di-doha dia tsy mahazo mivarotra intsony. Ny sefo fokontany manana ny tsenam-pokontany, ny tsenaben’ny kaominina ary amin’izay fotoana izay, dia samy tompon’andraikitra daholo ny olom-pirenena rehetra. Hevitry ny mpanabe, mpampianatra ary talen’ny sekoly ireo.

Sitraka r. 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT