Sosialy

Ady amin’ny fahantrana Manetsika manampahaizana ny HAFARI


  • Zoma 27 Desambra 2019

Mamerina hatrany ny fikambanana HAFARI Malagasy tarihin-dRafanomezantsoa Jean Nirina fa tsy misy ohatra ny famoronan’asa

 

 

ihany no  hahafahana manampy ny isam-batan’olona hiady  amin’ny fahantrana eto amintsika.  Efa miroso tanteraka amin’izany izy ireo ankehitriny amin’ny alalan’ilay tetikasa fihariana notontosain’ny mpikambana, indrindra fa ireo monina sy nahazo tany any Soaniedanana PK 67 miisa 1500. Nampahafantarin’ny fikambanana omaly ireo manampahaizana sy teknisianina eo anivon’ny fikambanana HAFARI hifanome tanana amin’izany. Anisan’ny asa maika hiantsorohan’izy ireo ny fananganana toeram-piompiana bitro, akoho amam-borona ary kisoa any Soaniedanana izay hiainga amin’ny kelikely. Hitohy amin’ny fiaraha-miasan’izy ireo amin’ny fanjakana izany hahafahana manangana tsena, hopitaly ary sekoly ho an’ireo kilonga madinika, zanaky ny mponina any an-toerana mba hahatamana azy ireo tanteraka. Ankoatra izay dia hiady amin’ny fitakiana ny Nosy Malagasy ihany koa izy ireo na ny îles éparses mba ho tombontsoan’ny Malagasy rehetra. Tsy latsa-danja amin’izany ny fiarovana ny tontolo iainana. Zana-kazo an-jatony no hovolen’izy ireo any Antsahamamy Ambohidratrimo amin’ny 11 janoary ho avy izao.

 

Pati

)

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT