Sosialy

Ady amin’ny fahantrana Hampiasa ny tany sy ny masomboly ny HAFARI Malagasy


  • Alakamisy 23 Aogositra 2018

Anisan’ny mbola hilofosan’ny fikambanana HAFARI Malagasy hatrany hatreto ny ady amin’ny fahantrana misy eto amin’ny firenena.

 

 


 

Nihaona sy nitafa tamin’ny mpanao gazety ny filohany Rafanomezantsoa Jean Nirina sy ireo mpiara-miasa aminy omaly. Anisan’ireny Atoa JFP izay manampahaizana niasa tamina indostria tany Frantsa sy ny oniversite Ascom. Anisan’ny asa hotontosain’izy ireo voalohany ny fampiasana ny tany ho an’ny Malagasy amin’ny alalan’ny fiompiana sy ny fambolena. Tokony hanana tany 2,6 ha avy mantsy ny isam-pianakaviana raha voazara tsara. Hampiasa motoculteur ny HAFARI sy ny mpiara-miombon’antoka aminy hisantarana izany saingy motoculteur hamboarina eto an-tanindrazana. Hatomboka amin’ny fandrendrehana vy, hoy izy ireo, mandalo amin’ny fanaovana piesy ary miafara amin’ny fanambarana izany ho lasa motoculteur. Olona manodidina ny 150.000 isa  no efa hahazo asa mivantana miampy ilay touk touk fitaovana fitateram-bokatra. Aorian’izay dia hampirisihina ireo mpamboly mba hampiasa masomboly voafantina miaraka amin’ny zezika mifanaraka aminy ka raha roa taonina isaky ny ha ny vokatra azo teo aloha dia hiakatra ho 6 taona isaky ny ha izay hampiditra vola 19.500.000 Ar ho an’ny isam-pianakaviana raha 1200 Ar ny kilaon’ny vary izay efa mihoatra lavitra noho ilay 2 euros na 7.200 Ar isan’olona ivelomantsika Malagasy ankehitriny. Nomarihin’izy ireo fa Manakasy no tena anarantsika Malagasy satria fanambaniana ilay mal sy gâcher natambatra. Manakasintsara ihany koa no tokony ho anaran’i Madagasikara izay mamaritra ny hasina hananantsika, saingy ezahin’ny vahiny takonana, hoy hatrany izy ireo.

 

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT