Sosialy

Ady amin’ny doro tanety Nametraka aro afo tao Firarazana ny Ministeran’ny tontolo iainana


  • Talata 03 Mey 2022

Laharam-pahamehan’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy ny ady amin’ny doro tanety sy ny doro ala ka efa manomana sahady ny fiatrehana izany tompon’andraikitra isan’ambaratongany ny eo anivon’ny

Ministera sy eny anivon’ny faritra tsirairay avy. Nirotsaka tao Firarazana, distrikan’Ankazobe ny Minisitry Ramatoa Minisitra Vina Marie-Orléa ny faran’ny herinandro teo niara-nisalahy tamin’ireo fokonolona any an-toerana nametraka aro afo tao amin’ny saham-pambolenkazo ao Firarazana izay lasibatry ny afo isan-taona. Ny distrikan’Ankazobe dia isan’ny toerana hanjakan’ny doro tanety isan-taona ary betsaka ny velarana may rehefa tonga ny fotoanan’ny afo ka antony nahatonga ny Minisitra sy ny teknisianina avy eto anivon’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy nidina tany an-toerana nanatanteraka ny aro afo hiarovana ireo zanakazo novolena ireo sy niara-nijery vahaolana tamin’ireo mponina sy ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Ankoatra ny tao Firarazana dia nitsidika ny faritra arovana ao Ambohitantely sy ny Faritra arovana Ankafobe ihany koa Ramatoa Minisitra Vina Marie-Orléa izay samy nametrahana aro afo niarahana tamin’ireo mponina manodidina avokoa. Ho an’ny faritra arovana Ambohitantely manokana dia aro afo maherin’ny 70 km no efa tafapetraka mba hiarovana ny ala ao an-toerana ary efa kilometatra maro ihany koa ny aro afo napetraka ao amin’ny Faritra arovana Ankafobe izay iarahan’ny MEDD, ny mpitantana ny faritra arovana ary ireo mponina manodidina manatanteraka. Nanentana ireo mponina eny ifotony ireo Ramatoa Minisitra Vina Marie-Orléa hifanome tanana hiaro ireo ezaka amin’ny fambolen-kazo izay niarahana nanao sy hanatsahatra ny fandoroana tanety izay miteraka voka-dratsy ho an’ny rehetra indrindra amin’ny fiovan’ny toetr’andro.
Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT