Sosialy

Ady amin’ny coronavirus Misy sekoly efa mandray fepetra


  • Alakamisy 19 Martsa 2020

Na dia mbola tsy tonga eto amintsika aza ilay areti-mandoza Coronavirus dia marobe sahady ireo sekoly efa mandray fepetra mifandraika amin’izany ho fiarovana ny mpianany sy ny mpiara-belona rehetra.

 

 

 

 Ho an’ny  lisea tsy miankina La Prime etsy Anosibe ohatra dia  nohamafisina  ny fanasan-tanana amin’ny savony, raha araka ny fanazavan-dRtoa Razanamihaja Clarisse. Mividy savony marobe isan’andro ny sekoly raha araka ny  zavatra hita teny an-toerana ka raha tamin’ny paompy mivantana no nanasan’ny  mpianatra tanana teo aloha dia nozaraina amin’ny sceau be dia be izany amin’izao mba tsy hisian’ny filaharam-be. Ankoatra izay dia nampianarina ny mpianatra ihany koa ny tsy hikitika ny faritry ny loha toy ny orona, ny maso ary ny vava  indrindra ny fandraisan- tanana olona  na koa mifampikasoka amin’ireo hita fa  manavy be na mikohoka. Tsy mijanona hatreo izany fa mandefa  ireo mpianatra marary mody hita fa tena tsy salama ihany koa ny sekoly ankoatra ny fampitana amin’izy ireo ny hafatra amin’ny fanabeazana ny ankohonany sy ireo mpiara-monina aminy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT