Sosialy

Ady amin’ny aretina lefakozatra Zaza 2.542.712 no kendrena ho vita vaksiny


  • Talata 13 Aogositra 2019

Notanterahina nanomboka omaly alatsinainy 12 aogositra manerana ireo distrika 55 ao anatin’ny faritra folo eto Madagasikara ilay hetsika fanaovam-baksiny iadiana amin’ny aretina lefakozatra andiany faha-15.

 

 

Ho an’ny teto an-drenivohitra,  manokana dia tetsy Amparibe no nisantarana izany, hetsika niarahana tamin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka izay mpikarakara. Tanjona ny hahafahana mamita vaksiny ireo zaza latsaky ny dimy taona  miisa 2.542.712 ao anatin’ireo distrika miisa 55 ireo. Mpiasan’ny fahasalamana miisa 1.695 no indray  nahetsika nanomboka omaly miampy mpanentana ara-pahasalamana 32.830. Hampiavaka ity andiany faha-15 ity raha tsiahivina  ny fisian’ny ekipa manokana hitety ireo sekoly, toeram-piantsonan’ny  fiarakodia, ny tsena ary ny isan-tokantrano. Nilamina ny fizotry ny fanaovam-baksiny omaly andro voalohany tamin’ny ankapobeny.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT