Sosialy

Ady amin’ireo mpiasam-panjakana matoatoa Hihetsika hatrany ny ASIEF


  • Alatsinainy 15 Oktobra 2018

Mitohy ny asan’ny ASIEF « Association Sportive Interministerielle pour l’éducation des fonctionnaires » tarihin’Atoa Randrianarison Jean Aimée Botosera amin’ny ady hatao amin’ireo mpiasam-panjakana matoatoa eto amintsika.

 

Ankoatra ny lalao ara-panatanjahantena nasionaly  goavana izay  karakarain’izy ireo isan-taona toy ny nitranga  tany Toamasina farany teo dia fantatra fa hisy ihany koa ny lalao rejionaly hampandraisana anjara ireo mpiasam-panjakana hahafahana manara-maso ny minisitera tsirairay avy. Tany Toamasina farany teo, ohatra, dia nahatratra 11.000  ireo mpiasam-panjakana nandray anjara. Any Antsiranana indray no hanohizana ny hetsika amin’ny taona ho avy. Mpiasam-panjakana matoatoa miisa 120 no tratra ka maro tamin’izy ireo no efa nalana tsy ho mpiasa eny anivon’ny minisitera nisy azy intsony.  Ezahina hohatsaraina hatrany ny hetsika, hoy Randrianarison Jean Aimée. Hisokatra ho an’ny orinasa vaovao izy amin’ny taona 2019 ho avy io. Nomarihiny manokana fa mpisandoka izay rehetra mikasa ny hanao ny asan’ny ASIEF amin’ny fikarakarana lalao ara-panatanjahantena ho an’ireo mpiasam-panjakana tahaka izao. Manana certificat de conformité mantsy ny ASIEF ary tamin’ny alalan’ny filankevitry ny minisitra no nametrahana ny fikambanana.

 Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT