ADY AMIN'NY TSY FANANAN'ASA

Tanora mihoatra ny 1000 mahery


  • Talata 20 Janoary 2026

no omena fiofanana

Raikitra ny ady amin'ny tsy fananan'asa mahazo ny tanora eo anivon'ny Ministeran'ny Fampianarana teknika tarihin'ny Ministra tompon'andraikitra. Tanora mihoatra ny 1000 isa no fantatra fa hahazo fiofanana maimaim-poana momba ny fikirakirana ny teknolojia avo lenta manerana ny Nosy toy ny développement web, ny application mobile ary ny marketing et digital. Vokatry ny fiaraha-miasan'ity Ministera iray ity sy ny Organisation Internationale de la Francophonie no angady nanana sy vy nahitana izany amin'ny alalan'ny tetikasa Déclic. Tompon'andraikitra miisa 30 avy amin'ny sehatra tsy miankina voky traikefa sy manana ny maha-izy azy amin'ny fikirakirana ny teknolojia avo lenta nanomboka omaly Alatsinainy 19 Janoary no miatrika fiofanana mialohan'ny hampitan'izy ireo ny fahaiza-manaony amin'ireo tanora miisa 1000 manerana ny Nosy ireo. Tanjona ny hanampiana ny tanora hiditra eo amin'ny sehatry ny asa avy hatrany ho enti-mandresy ny fahantrana. Toraka izany koa ny hanomezana fanantenana indray ireo mañana diplaoma nefa tsy mety mahita asa. Ho afaka hiasa amin'ny orinasa mantsy izy ireny aorian'ny fiofanana no sady afaka hamorona asa ho an'ny tenany sy ny manodidina azy ihany koa.
Pati
Légende : Omena fiofanana ho afaka hiatrika asa avy hatrany ny tanora !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT