Sosialy

Ady amin`ny ny herisetra mahazo ny ankizy Nampihetsi-po ny “Slam” teny Andohalo


  • Alatsinainy 02 Jolay 2018

Manjaka ny herisetra mahazo ny ankizy amin`ny lafiny rehetra. Nahafahana niresaka ny zava-mitranga nahazo azy ireo amin`ny fiainana andavanandro, nisy ny fifaninanana nasionaly momba izany amin`ny alalan`ny “Slam Poezia”.

 


 

 Sangan`asa 10 no nampihetsi-po momba ny herisetra mahazo ny ankizy noventesin`ny tanora miisa 10 teny amin`ny zaridainan`Andohalo ny sabotsy lasa teo. Natao ho an`ny nakizy 12 ka hatramin`ny 18 taona ny fifaninanana nasionaly “Slam Poezia” izay nokarakarain`ny minisiteran`ny mponina, ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy, sy ny UNICEF. Noraiketina tamin`ny alalan`ny horonantsary maharitra 30 segondra ka hatramin`ny iray minitra ny “Slam”m mahakasika ny lohahevitra momba ny herisetra mianjady amin`ny ankizy. Rehefa nandeha ny fifantenana, dia ireto 10 naseho teny amin`ny zaridainan`Andohalo ireto no voasokajy ho mendrika mindrindra manoloana ireo mpifaninana 108. Tsy nisy ny voalohany hatramin`ny fahafolo, satria mendrika avokoa ireo mpifaninana rehetra raha ny fanapahan-kevitry ny mpitsara.  Tanjona tamin`izao ny hampifandraisana anjara ny ankizy sy ny tanora amin`ny fitakiana ny zon`izy ireo. Natao hitondra teny amin`izao ady atao amin`ny herisetra mahazo amin`ny ankizy izy 10 mianadahy ireto. Betsaka tokoa mantsy ny ankizy iharan`ny herisetra eny amin`ny fiarahamonina, eny fa na ao an-tokantrano aza ary miseho amin`ny endriny samihafa kanefa vitsy ireo sahy mitroatra sy mitory ireny tranga ireny. Tsy voatery ho herisetra ara-batana ihany fa na ny fomba fiteny sy fihetsika tsy voahevitra aza mety mandratra ny aty fanahin`ny ankizy kanefa tsy voasainan`ireo lehibe akory. Fotoana namaranana ny iray volan`ny ankizy ihany koa ny hetsika notanterahina teny Andohalo.


Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT