Sosialy

Ady amin` ny kere Azo ampiasaina tsara ny Soanambo


  • Talata 01 Desambra 2020

Nahita hevitra mifandraika amin` ny ady amin` ny tsy fanjarian-tsakafo ny

 

 

holafitry ny injeniera eto amintsika. Nahazo famatsiam-bola mitentina 96 tapitrisa Ar izy ireo nanaovana fikarohana rano fotsiny mikasika ny soanambo tany amin’ny oniversiten’i Canada ka fantatra fa tsara lavitra noho ny foto-tsakafo toy ny vary ny Soanambo noho ireo hery marobe hita ao aminy. Ny Water Aid sy ny ofisim-pirenena miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo no miahy izany voka-pikarohana izany. Sakafo tena miavaka ny Soanambo no sady mitahiry rano amin’ny tany izay hambolena azy ihany koa hahafahana miady amin’ny hain-tany. Araka izany dia hatao tetikasa filamatra eto amintsika ny fanodinana ho lasa lafarinina ny Soanambo amin’ny alalan’ilay “Soanambo for life”. Ny orinasa Soamad izay nitsangana tamin’ny taona 2018 no handray an-tanana izany. Tsiahivina moa fa mamokatra Soanambo 50.000 taonina isan-taona isika any amin’ny faritra Atsimo Atsinanan’ny Nosy. Mahatratra 80.000 taonina mihitsy izany any amin’ny Faritra Atsinanana izay very very fotsiny. Raha araka ny fanazavana azo omaly mantsy dia mahatratra 3.000 m² ny tany rakotra Soanambo ao anatin’ny 50 taona raha mamboly hazo Soanambo iray anio ohatra. Hanampy betsaka ny Water Aid izay mifototra amin’ny resaka fahadiovana sy fidiovana ihany koa ny fisian’ity tetikasa ity hahafahan’ny daholobe misitraka rano fisotro madio.

Pati sy Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT