Adim-piainana sy krizy ara-piarahamonina

Vehivavy iray nikiry hamono tena tao Toamasina


  • Alakamisy 25 Jolay 2024

Nampitolagaga ny maro ny fihetsiky ny vehivavy iray tao Toamasina omaly.

Nikiry ny hamono tena, ka nitsivalana teny an’arabe mba hohitsahin’ny kamio ity vehivavy ity. Nitsilailay no sady nidongy tsy nety niala teo amin'ny arabe, anoloan'ny Hôtel de Police any amin'ny Bazary Kely Toamasina ity vehivavy iray ity, raha ny tatitra. Ninas no anarany ary mipetraka any Tsarahonenana, Toamasina-II izy, raha ny nambarany. Nanao ny fanamiana misy ny sarin’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina moa io vehivavy io, izay toa mamoy fo noho ny olana ara-piainana. Ny polisy no niezaka nisakana azy tsy hanatanteraka ny famonoan-tena. Endrika maneho, fa mitombo ny olana sy ny fikorontanana ara-piarahamonina, mihamafy ny fikorontanan-tsain’ny olona eo anatrehan’ny fahamafisam-piainana. Raha mandray ity tranga ity, ankoatra ny ain’ity vehivavy ity izay tandindon-doza, dia mety hampidi-doza ny hafa toy ny mpamily ihany koa ny fikasany. Izao no tena ilàna ny Minisiteran’ny mponina sy ny mpiara-miombon’antoka azy, saingy asa na mba misy ihany ny fijerena ny fandraisan’andraikitra na dia tazanim-potsiny, toy ireo olana ara-tsosialy marolafy mikiky ny Malagasy.
Nangonin’i Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT