Sosialy

Adala midaroka eny an-dalambe Olona maromaro no lasibatra teny Anosizato Atsinanana


  • Zoma 04 Janoary 2019

Mitombo isa hatrany ankehitriny ireo adala mirenireny eto an-drenivohitra. Ankoatra ny lehilahy dia marobe ihany koa ny vehivavy izay marihina fa samy manana ny fomba fihetsehany.

 

 

 

 Ho an’ny teny Anosizato Atsinanana, ohatra, omaly dia adala vehivavy iray no nikapoka olona tamin’ny tariby lava be ka maro ireo lasibatra. Raha araka ny fantatra dia olona iray no nanakorontana azy ka tsy nijanona izy raha tsy nahavoa olona maro. Tsy nisy anefa ny fandraisana andraikitra noho ny tahotry ny rehetra. Manana andraikitra goavana amin’ny fandraisana an-tanana ireny marary saina ireny ny fitondram-panjakana. Tafiditra ao  ny fiarovana azy ireny tsy hikasi-tanana olona saingy toa zary tsy misy mpijery intsony. Anjaran’ny kaominina ny maka azy ireny ary manatitra azy any amin’ny toby tokony hitoerany saingy tokony hanome tosika amin’ny sakafony kosa ny fanjakana. Efa betsaka ihany ireo adala nalefa teny Anjanamasina saingy navoakan’ny tompon’andraikitra teny an-toerana noho ny tsy fisian’ny sakafo omena azy isan’andro. Mila mailo isika rehetra manoloana izany. Raha sanatria ka misy olona iray maratran’ny adala mantsy dia inoana fa tsy hisy mpijery. Saika tsy manan-kavana ny ankamaroan’izy ireny amin’ny ankapobeny.

 Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT