Sosialy

Aborano Beapombo II Omby 13 maty nihinana hodi-mangahazo


  • Talata 24 Mey 2022

Saika ripaka avokoa ny omby tao amina tokantrano iray tao amin’ny kaominina ambanivohitra Aborano, kaominina ambanivohitra Beapombo II any amin’ny distrikan’i Toliara II.

Miisa 13 izy ireo no tsy tana intsony ny ainy vokatry ny fihinanana hodi-mangahazo. Raha tsiahivina kely ny tantara dia nividy mangahazo tao akaikin'ny kaominina ambanivohitra Isoanala ny tompon'omby ary nitondra izany nody. Rehefa avy novoasana ilay mangahazo mba havadika ho mangahazo maina dia nomena ny omby toy ny mahazatra ny hodiny. Akory anefa ny hatairan'ireto farany fa raha vantany vao nihinana ilay hodi-mangahazo ireo omby ireo dia nitolefika ary maty nanary aina avokoa. Nisy ihany anefa ireo avotra soa aman-tsara rehefa avy nomena ranon-tsiramamy. Efa nentina eny anivon’ny dokotera mpitsabo biby moa ireto omby namoy ny ainy ireto hamantarana izay tena nahazo azy marina. Eo an-daniny nogiazana tsy azo hamidy ny henany sao sanatria hamono ny mpanjifa ihany koa.
Nangonin’i Pati
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT