Omby 168 amin’ny toeram-piompian’ny orinasa AAA-Tiko ao Andranomanelatra no ahiana ho faty hitsitra avokoa raha mitohy ny antsojain’ny fanjakana.
Manomboka misy maty sy marary satria norarana nanomboka ny 01 martsa teo ny fahafahan’ny fiara mampiditra ny sakafony ao, ary tsy afaka mampiditra solika handefasana ny milina mampiakatra ny rano ihany koa. Voatery taterina amin’ny kamio ny rano saingy tsy avela miditra ny fiara. Iray no maty hatreto, ary 4 mangozohozo tsy mahazaka tena ahiana tsy haharitra intsony raha ny fanazavan’ny mpitsabo biby. Iray hafa efa tena ahiana ho faty satria tsy afa-miarina intsony. Tsy nakatona ireo vavahady roa lehibe na nisy aza ny fanakatonana tanteraka ny orinasa nanomboka ny 12 oktobra 2017, saingy nanomboka ny 01 martsa io, dia nobahanana tanteraka tamin’ny alalan’ny fiarabe mihitsy, hoy ny Mpisolovava ny AAA-Tiko Norosoa Raharimalala. Toerana midadasika no hijinjana ny vilona amin’ny alalan’ny “tracteur”, ary amina kilaometatra maro ny fitaomana izany, ka tsy ho vita amin’izao tsy misy fiara. Ireo omby vahiny antsoina hoe “Holstein” moa no tena lasibatra satria mila fikarakarana manokana izy ireo, toy ny fanomezana provandy. 3 andro eo dia mety hahafaty ny omby raha mitohy ny tsy fandrarana ny fikarakarana azy. Manodidina ny 4 ka hatramin’ny 5 tapitrisa ariary ny vidin’ny iray amin’izy ireny. Vilona 8 kamiao isan’andro no hamatsiana ireo omby ao anatin’ny faritry ny AAA-Tiko, izay ety ivelan’ny ozinina sy ny toeram-piompiana avokoa ny tanim-bilona. Vokatry ny fiparitahan’ny vaovao tamin’ny tambajotran-tserasera dia nisy tompon’andraikitra efa nanadihady tany amin’ny minisitera isan-tokony, eny hatrany amin’ny primatiora ka nilaza fa tsy avy any ambony, “hono”, ny baiko nanidy ny toeram-piompiana. Tsy tao anatin’ireo vavahady nohidian’ny fitsarana rahateo ny miditra ao amin’io toeram-piompiana io, fa dia karazan’ny hetraketraka fotsiny. Nikaon-doha tao amin’ny Lapan’ny faritra omaly ireo tompon’andraiki-panjakana ao Vakinankaratra, ary re fa mety hidina any Andranomanelatra anio. Tsy hay na mbola olombelona manan-tsaina sy manam-panahy ihany no tompon’antoka amin’izao hetraketraka izao ? Aiza ka hatramin’ny biby tsy manan-tsiny avy no lasibatra noho ny gafy ara-politika.
Anio amin’ny 11 ora antoandro no hanatona eny amin’ny fitsarana izahay hangataka ny hanokafana ny vavahady hahafahana mamatsy ara-tsakafo sy mikarakara ireo biby, ka tsy hay aloha izay mety ho setriny, hoy ny mpisolovava ny AAA-Tiko omaly, tamin’ny resaka nifanaovana taminy.
Toky R sy Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.