Sosialy

75%n’ireo sehatra tsy manara-drafitra Makany amin’ireo fampindramam-bola madinika


  • Talata 26 Martsa 2024

Azo lazaina ho efa manomboka mipetraka ankehitriny ny fahatokisan’ny malagasy ny NIM na

Nouvelle institution de microfinance», hoy ny tale jeneraliny, Harizaka Rakoto, raha niresaka mikasika ny petra-bola malagasy eo anivon’ity banky malagasy ity tetsy amin’ny foibeny etsy Andavamamba omaly. Tsy mbola nihindram-bola izahay hatreto, hoy izy. Ny petra-bola nataon’ny olona ihany no nampisamborinay. Mahasahana tanteraka ny fampisamboram-bola ataonay ny petra-bola ataon’ny mpanjifa hatreto. Ny «cour de crédit» na fivezivezin’ny vola tao anatin’izay 20 volana izay dia 5 miliara Ariary. Mbola kely raha mihoatra amin’ny tanjona nefa isan’ny marika koa fa miakatra tsikelikely tsy an-kijanona ilay izy isam-bolana. 4000 isa eo no efa nahazo fampindramam-bola. Mihoatran’ny 7500 tany ireo nangataka. Misy nahazo, misy tsy nahazo, misy miandry kely noho ny antony manokana. Isan’ny tanjona ny tsy hampijabaka ny malagasy mba tsy ho difotry ny trosa. Raha misy olona mangataka vola dia jerena tsara aloha hoe afaka mamerina ve izy? Zava-dehibe ny seha-pampisamboram-bola madinika ho antsika malagasy satria marobe ny malagasy mbola tsy afaka nisitraka fampisamboram-bola tamin’ireo banky mahazatra na eto an-toerana na avy any ivelany. Aty amin’ny tany an-dalam-pandrosoana isika. Eto Madagasikara izao dia lasa ireo mpisehatra tsy manara-drafitra na «informel» izao no betsaka. Tsy afaka hifampiraharaha amin’ireo banky mahazatra ireo. Zava-dehibe ho anay ny fahafahana mampifandrindra ny sehatry ny fampisamboram-bola madinika amin’ny zava-misy eto an-toerana. Nanomboka ny 8 janoary 2024 isika no nanokatra ny renivola sosialy ho an’ny sarambabem-bahoaka. Amin’izao isika miresaka izao dia efa mihoatra ny 30 isa ireo nandrotsaka renivola sosialy. Maromaro ny orinasa efa nifampiresaka taminay miandry fanapahan-kevitry ny filankevim-pitantanana sy ny karazany. Izay no anton’izao fanatevenana fampitana izany izao. 75%n’ireo 4000 isa nahazo fampindramam-bola ireo dia saika sehatra tsy manara-drafitra avokoa ankoatran’ny tantsaha sy mpiasa miasa amin’ny orinasa mandray karama isam-bolana, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT