Sosialy

7 volana tsy nandray karama Raikitra ny fitokonan’ny mpiasan’ny FOFIFA


  • Alarobia 25 Septambra 2019

Mpiasa hatrany amin’ny 200 eo anivon’ny FOFIFA na ny FOibem-pikarohana momba ny FIkarohana ampiharina amin’ny FAmbolena no nanao fitokonana teny amin’ny anoloan’ny Birao misy io sampan-draharaha io eny Ampandrianomby omaly talata 24 septambra.

 

Feno ny kapoaka satria efa ela niandrasana sy ela niaretana izahay, hoy ireo mpiasa. Nambaran-dRandrianarivony Hery Lalao mpitondra tenin’ireo mpiasa fa efa 7 volana izay izy ireo no tsy nandray karama. Maro anefa no nindram-bola tamin’ny banky nentina niatrehana ny fiainana andavanandro, toy ny fandoavana hofan-trano, vidin-jiro, sakafo, saram-pianaran’ny mpianatra,… satria nanantena fa mbola ho azo soa aman-tsara ny karama. “Efa bokan’ny trosa izahay ankehitriny kanefa tsy mbola azo ihany ny karama. Ny sasany efa mahazo fandrahonana avy amin’ny tompon-trano. Efa nisy ny fifampiresahana tamin’ireo lehibe ao amin’ny FOFIFA sy ny minisitera Mpiahy saingy tsy nahitam-bokatra, raha ny fanazavana. Ny lehibenay aza tsy hitany intsony izay hatao, hoy ny mpiasa. Izany indrindra no anton’izao fitokonana izao mba ho fantatry ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny, indrindra ny filoham-pirenena ny zava-misy mba handraisany fepetra sy tsy hiverenan’ny zavatra tahaka izao intsony”, hoy ny solontenan’ny Mpiasa. Nanamafy ireo mpiasan’ny FOFIFA ireo fa tsy hanohy ny asany izy ireo raha tsy azo ilay karama fito volana takiany. 

Toky R sy Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT