Sosialy

67Ha Avaratra atsinanana, Ambodin’Isotry Tapaka nanomboka ny zoma teo ny rano


  • Alatsinainy 29 Jolay 2019

Nanomboka ny zoma 26 jolay teo no tapaka tanteraka ny ranon’ny Jirama eny amin’ny faritr’i 67Ha Avaratra atsinanana iny; velon-taraina tanteraka ny mponina satria ilaina isan’andro ny rano.

 

 

 

Hidiovana, hanasana lamba sy hanaovana sakafo.simba hatramin’ny fitadiavanay, hoy izy ireo, fatiantoka ny an’ireo izay manana hotely na kely io na lehibe. Raha ny angom-baovao natao tamin’ny mponina teny an-toerana dia niainga 1500 ariary ny rano iray “bidon jaune” izay 20 litatra moa ary omaly alahady dia efa niakatra 2500 ariary izany. Tsy ampy velively anefa io 20 litatra io raha ho an’olona 4 mianaka iray trano, ohatra, raha hoe sady hidiovana no hanaovana sakafo in-telo isan’andro. Lasa vola mivoaka fanampiny, kanefa misy ireo tena ao anatin’ny fahasahiranana satria tsy nandray karama. Tratran’io olana io ihany koa ny eny Ambodin’Isotry sy Ambalavao Isotry. Raha ny fantatra dia mety rahampitso talata vao hiverina amin’ny laoniny ny rano. Fantsona lehibe mitondra rano eny Isotry moa no vaky ka fototr’izao olana izao. Manao antso avo amin’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny ireto mponin’i 67Ha Avaratra atsinanana sy Ambodin’Isotry ireto mba hijerena izay tokony hanampiana azy ireo. Amin’ny manaraka ihany koa mila fitandremana syfahamatorana ireo orinasa manamboatra lalana na tatatra sy lakan-drano fa mteraka olana eny amin’ny fiarahamonina sy fatiantoka lehibe ho an’ny mponina tsy vaky paompy tsy nahy na noho ny tsy fitandremana e !

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT