Sosialy

4 taona izao ny fifindra-monina any Soaniedanana Hitarin’ny Hafari any an-toeran-kafa


  • Alakamisy 19 Aprily 2018

Feno efa-taona amin’ity taona 2018 ity sahady ilay tetikasa fifindra-monina karakarain’ny fikambanana HAFARI Malagsy eny amin’ny PK 67 Soaniedanana, làlam-pirenena fahaefatra. Fahombiazana tanteraka no azo tamin’izany,

  raha araka ny fanazavan-dRafanomezantsoa Jean Nirina, na dia teo aza ireo karazana sedra. Tsy hijanona hatreo ny tetikasa hoy hatrany ny filoha nasionalin’ny fikambanana HAFARI Malagasy. Hitohy amin’ny fangatahana ireo tanim-panjakana mipetra-potsiny, toy eny Andoharanofotsy sy ny lalam-pirenena fahafito izany hahafahan’ny Malagasy rehetra manan-tany. Tena hetahetan’ny Malagasy mantsy izany te-hanana tany hahafahana manorina trano izany, hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina, ka raha tiana ny tena hampandroso ny sosialim-bahoaka eto amintsika dia ny fanohanana sy ny fanampiana ny tetikasa tahaka ireny no tena tokony himasoana. Miantso ireo malala-tanana sy vonona hanohana ny tetikasa araka izany  Rafanomezantsoa Jean Nirina. Tsiahivina moa fa hetsika goavam-be no hanamarihan’ny fikambanana HAFARI izany ny 19 Mey ho avy izao. Didim-poitra faobe iarahana amin’ny PARAMED sy fanomezana fanampiana ho an’ireo mpanao fanatanjahantena no entin’izy ireo hanamarihana izany.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT