Sosialy

4 miliara Ar hividianana zezika Vary hanaovana tsikonina ve no hovolena eto ?


  • Zoma 21 Oktobra 2022

Manomboka ny taom-pambolena vary 2022 – 2023. Ahiana ho maina anefa ny andro hitarika fahataran’ny rotsak’orana. Miasa saina ihany koa ny tantsaha ny amin’ny zezika,

satria andaniny ny zezi-pahitra zara fa misy noho ny firongatry ny halatr’omby amin’ny afitsoky ny dahalo ary ankilany anefa ny zezi-bazaha lafo vidy. Nisy moa ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fitondram-panjakana nandritra ny filankevitry ny minisitra ny alarobia 5 oktobra 2022, araka ny tolo-kevitra avy amin’ny ministeran’ny fambolena sy fiompiana, ny hanokana vola 4 miliara Ariary hamatsiana ny fividianana zezika hiatrehana ny fanombohan'ny taom-pambolena amin'ity volana oktobra ity. Izany dia tafiditra ao anatin'ny fahatrarana ny tanjon'ny fahavitantena ara-tsakafo ny fanohanana ny famokarana ataon'ny Tantsaha, izay maro an’isa eto amin'ny firenena. Fa voly vary hanaovana tsikoninkonina ve no hatao eto e ? Izany 4 miliara Ariary izany anie zara raha mahazo zezika eo ho eo amin’ny 1.000 taonina eo raha be indrindra amin’izao e ! Izany hoe zezika ho an’ny velaran-tanimbary 6.000 ka hatramin’ny 8.000 hekitara. Koa raha heverina fa mitombo iray taonina isaky ny hekitara ny vokatra rehefa nampiasaina ireo zezika ireo dia 6.000 ka hatramin’ny 8.000 taonina izany ny vary akory miakatra na koa fotsimbary 4.500 taonina ka hatramin’ny 5.500 taonina ny vokatry ny fampiasana io 4 miliara Ariary io. Kely anefa izany raha oharina amin'ny vary 500.000 taonina voatery afarana isan-taona hanentsembana ny banga amin’ny filàna eto an-toerana. Izany hoe : zara raha misy 1% ny banga. Faharoa, raha velaran-tany indray no tenenina dia tsy misy dikany koa satria ny tanimbary any Antsihanaka fotsiny dia efa manodidina ny 80.000 hekitara. Izany hoe 1/10 ny tanimbary any no hahazo zezika amin’io vola io. Dia iza no homena ary iza no tsy homena ? Hiteraka korontana any io.Fahatelo, raha ara-teknika kosa dia izao. Raha zaraina amin'ny kapoaka « madco » ny zezika azo amin’io 4 miliara Ariary io dia izay kely azon'ny tantsaha no afafiny amin'ny taniny. Ny zezika anefa dia sahala amin'ny akoram-pamokarana rehetra, raha vao tsy ampy fatra dia mitovy amin'ny tsy nampiasa ihany. Dikany : tsy hisy akory na ilay fitomboana 6.000 ka hatramin’ny 8.000 taonina raha vao diso fizara eo ary dia ho very anjavony io 4 miliara Ariary io. Koa sao mba werawera fotsiny hisehoana fa hanampy ny tantsara ity fanapahan-kevitra natolotry ny ministeran’ny fambolena sy fiombiana nankatoavina nandritra ny filankevitry ny minisitra io, nefa hanjavona ny vola ? Sa vary hanaovana tsikonina ve no hovolena eto ?
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT