Sosialy

31 desambra 2022 Nangina ny fety raha oharina ny tamin’ny 2021


  • Alatsinainy 02 Janoary 2023

Nangina ny fetin’ny faran’ny taona tamin’ity taona 2022 ity raha oharina tamin’ny taon-dasa.

Nihena hatrany amin’ny antsasany mantsy raha araka ny fanadihadiana natao tamina trano filanonana iray ny isan’ireo fianakaviana tonga namarana ny taona 2022 ary nitsena ny taona vaovao 2023 tao aminy noho ny hasarotan’ny fiainana. Raha hatrany amin’ny 500 isa ny olona nandrasana hoy ny tompon’andraikitra iray dia tsy nisy afa-tsy 250 isa sisa izany. Anisan’ny tena voakasik’ity olana ity moa ireo trano filanonana somary mivoaka kely ny renivohitra ny toerana misy azy. Ankoatra ny tsy fananam-bola moa dia anisan’ny antony nahavitsy ireo olona tonga namarana ny taona 2022 tany amin’ireo trano filanonana maro isan-tsokajiny ihany koa ny tahotra ny tsy fisian’ny fandriampahalemana. Tsy lavitra mantsy fa tsy maintsy miaina eny anivon’ny fiaraha-monina eny ihany koa ireo mpanendaka sy mpamono olona ary mpamaky trano izay tena manararaotra fatratra ny fetin’ny Asaramanitra tahaka ireny.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT